𝐌𝐢𝐬𝐨𝐤𝐚𝐭𝐫𝐚 𝐚𝐦𝐢𝐧’𝐧𝐲 𝐟𝐢𝐚𝐫𝐚𝐡𝐚-𝐦𝐢𝐚𝐬𝐚 𝐫𝐞𝐡𝐞𝐭𝐫𝐚 𝐧𝐲 𝐌𝐈𝐍𝐀𝐄.
Anosy, 10 novambra 2025.
Nandray ny ekipan’ny FOFIFA, ny OFMATA ary ny Chambre de Commerce Russie- Madagascar Andriamatoa RASATARIMANANA José Nirina, Minisitry ny Fambolena sy ny Fiompiana.
Nisy ny fifampizarana sy fifanakalozan-kevitra hanatsaràna ny sehatr’asa amin’ireo rantsamangaika ireo, izay anisan’ny mandray anjara feno amin’ny fampivoarana sy fanatsaràna ny sehatry ny famokarana eto Madagasikara.
FOFIFA : misy ireo tetikasa andalam-panatanterahana ankehitriny, ho famokarana masomboly vary sy famokarana mangahazo, iaraha-miasa amin’ny IITA, JICA, Africa Rice ary ny tetikasa PICAS.
OFMATA : misokajy 5 ireo asa lehibe hotanterahina anatin’ny 3 taona, ho fampivoarana hatrany ny seha-pihariana paraky eto Madagasikara, dia ny fanavaozana ny lalàna momba ny seha-pihariana , ny fanavaozana ireo fotodrafitrasa sy trano fivarotana, ny fanovàna ny rafitry ny mpiasa, ny fitandrovana ny fanànana iombonana ary ny fanaovazana ireo fitaovam-piasana rehetra.
Chambre de Commerce Russie- Madagascar : afaka manohana ara-pitaovana sy miara-miasa feno amin’ny MINAE amin’ny fanomezana fitaovam-pamokarana lehibe toy ny tracteur ; ny fanamboarana tohadrano, ny fampiasam-bola amin’ny famokarana.
« 𝘿𝙚𝙨 𝙥𝙧𝙤𝙙𝙪𝙘𝙩𝙚𝙪𝙧𝙨 𝙥𝙧𝙤𝙨𝙥ères 𝙥𝙤𝙪𝙧 𝙪𝙣𝙚 𝙣𝙖𝙩𝙞𝙤𝙣 𝙗𝙞𝙚𝙣 𝙣𝙤𝙪𝙧𝙧𝙞𝙚. »